ALAMANDO



AIZA NO AHITANA NY ALAMANDO?

Ny alamando dia hita eo amin’ny Trôpika, ny faritra eo anelanelan’ny “Trôpikan’i Capricorn” sy ny “Trôpikan’i Cancer”. Eo amin’ireo faritra ireo dia mahery ny masoandro ary mitovitovy ny faharetan’ny tarany isan’andro mandritra ny taona ka mahatonga ny toetrandro ho mafana sy tsy miovaova.

Betsaka ny firenena manana alamando. Ireto avy ireo firenena manana alamando lehibe indrindra :
  1. Brésil
  2. Repoblika Demôkratikan’i Congo
  3. Pérou
  4. Indonésia
  5. Colombie
  6. Papou Nouvelle Guinée
  7. Venezuela
  8. Bolivie
  9. Mexique
  10. Suriname


Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler