ALAMANDO



INONA NO MAMARITRA NY ALAMANDO?

Ny alamando tsirairay dia samy manana ny mampiavaka azy avy fa misy kosa ny endrika iraisan’ny alamando trôpikaly rehetra.
  • Ny ahitana azy : mitandavana sy mivalampatra anatin’ireo trôpika ny alamando
  • Rotsak’orana : mahazo orana farafahakeliny 2400 milimetatra (1) isan-taona ny alamando
  • Kanôpy (6) : ny alamando dia manana kanôpy (6) izay ny hatevin’ny ny ratsan-kazo sy ny ravina arafitry ny hazon’ny alamando mifanakaiky kely. Ny ankabeazan’ny zavamaniry sy ny biby ao amin’ny alamando dia monina ao amin’ny kanôpy (6). Ny kanôpy (6) dia mety ho 30 metatra (2) miala amin’ny tany.
  • Biôdiversite (3) : ny alamando dia manana toerana avo lenta eo amin’ny fahasamihafan’ny zavaboary na antsoina koa hoe biôdiversite (3). Biôdiversite (3) no anarana iantsoana ny zava-manan’aina rehetra – ohatra zavamaniry, biby, ary ny holatra -- hita amina ekôsistema (4) iray. Ny mpikaroka dia mino fa ny antsasaky ny zavamaniry sy ny biby hita eto ambonin’ny tany dia monina amin’ny alamando.

  • Fifandraisana simbiôtika (5) eo amin’ny karazan-javaboary miaina : miasa miaraka matetika ny karazan-javaboary miaina ao amin’ny alamando. Ny fifandraisana simbiôtika (5) dia fifandraisana izay misy karazan-javaboary miaina roa samihafa tarika mifamelona amin’ny alalan’ny fiarahan’izy ireo miasa.
Ohatra ny zavamaniry sasany dia mamoaka karazan-tranokely sy siramamy ho an’ny vitsika. Etsy andanin’izay ny vitsika no miaro azy amin’ireo bibikely mety hihinana ny raviny.

(1) 2400 mm (2400 milimetatra) = 80 inches
(2) one foot = 30.48cm, 100feet = 30 m (30 metatra )
(3) biodiversite : fahasamihafan’ny zavaboary
(4) ekôsistema : fifandraisan’ny olona, ny biby, ny zavamaniry amin’ny tontolo iainana iray voafaritra
(5) simbiôtika : fiaraha-miasa ahazoan’ny roa tonta tombontsoa sahala ka ny fahabangan’ny andaniny ohatra dia mitarika fahafatesana ho an’ny ankilany
(6) kanôpy : fivondronan’ny ravinkazo aman-taho mandrakotra ny tampon’ny ala


Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler