ALAMANDO



SIVILIZASIONA LEHIBE AO AMIN’NY ALAMANDO

Amin’izao fotoana izao dia maro amin’ireo mponina an’ala no miaina amina fitoerana kely na mifindrafindra sy mihaza ary mioty. Taloha, ny alamando trôpikaly sy ny toerana manodidina azy dia nonenan’ny sivilizasiôna lehibe toy ny Mayas, Incas, ary Aztecs izay namorona fiarahamonina maro sampanana ary nanampy betsaka tamin’ny fampandrosoana ny siansa.

Ireo sivilizasiôna lehibe ireo dia niatrika ny sasany amin’ireo olanan’ny tontolo iainana (fahamaroan’ny fahasimban’ny ala, fahasimban’ny nofon-tany, ny fitombon’ny mponina be loatra, tsy fahampian’ny rano) izay atrehantsika amin’izao fotoana izao. Ho an’ny Maya, ny fahasimbàna teo amin’ny tontolo iainana dia saika lehibe sy maro loatra ka niteraka ny fianjeran’izy ireo.





Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler