ALAMANDO



INONA NO NANJO NY MPONINA TOMPON-TANIN’I AMAZÔNA?

Talohan’ny nahitan’i Christophe Colombe ny tany vaovao tamin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo, araka ny vinavina dia Amerindiana (ilazàna ny olona Amerikana tanala) 7-10 tapitrisa eo ho eo no nonina tany amin’ny alamandon’i Amerika, antsak’izy ireo ny tany Brézil. Tanan-dehibe nisy tany amin’ny Andes sy ny Amazôna no nanohana vahoaka mpamboly.

Ny fahatongavan’ny Eropeana no nitondra ny fiafaran’ny sivilizasiôna tompon-tany tany Amerika Afovoany sy Atsimo. Ny Erôpeana dia nitondra aretina izay namono Amerindians anapitrisany ary tao aorian’ny 100 taona nahatongavan’ireo olona mpiavy ireo, nihena 90% ny mponina Amerindian. Maro amin’ireo mponina an-toerana sisa velona no nonina tany anatin’ny ala : na izy ireo voatosiky ny Erôpeana nankany, na nonina sy namorona foko kely tany araky ny fomban-drazana.





Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler