ALAMANDO



FIALOFANA SY FIOTAZANA HAZO FANAOVAN-TRANO ANY AMIN’NY ALAMANDO

Iray amin’ny antony voalohany mahatonga amin’ny fahasimban’ny alamando ny fialofana. Maro ny karazan-kazo ampiasaina amin’ny fanaka, gorodona, ary ny fandrafetana dia notazana avy amin’ny ala trôpikaly any Afrika, Azia, ary Amerika Atsimo. Amin’ny alalan’ny fividianana vokatra vita amin’ny hazo, ny mponina amin’ny toerana toa an’i Etazonia dia mandray anjara amin’ny fanimbana ny alamando.

Raha azo amboarina ho amin’ny fomba mampihena ny voka-dratsy amin’ny tontolo iainana ny fialofana, ny ankamaroan’ny fialofana any amin’ny alamando dia tena manimba tokoa. Voakapa ny hazo lehibe ary tarihana manerana ny ala, etsy andanin’izany ny lalana izay misava faritra misy ala mitokatokana ho amin’ny fambolena ataon’ny mpamboly madinika. Any Afrika ny mpiasa amin’ny fialofana dia miankina matetika amin’ny “haza” mba ho ampy proteina.
Mihaza biby dia toy ny gorila, omby manga, ary ny gidro izy ireo ataony sakafo.

Ny fikarohana dia nahitana fa ny isan’ny karazam-biby hita any amin’ny alamando natao fialofana dia vitsy loatra miohatra amin’ny hita any amin’ny alamando mbola tsy voakitika. Maro ny biby an’alamando tsy afaka mivelona amin’ny tontolo iaianana voaova.

Ny mponina an-toerana dia matetika miantehitra amin’ny fiotazana hazo an’alamando hatao fitaina sy hanamboarana fitaovana. Taloha dia tsy tena nanimba loatra ny ekôsistema (4) izany toe-javatra izany. Etsy andanin’izany, ankehitriny any amin’ny faritra be mponina, ny isan’ny mponina mioty hazo avy amin’ny faritry ny alamando dia mety ho tena manimba mihitsy. Ohatra ny ala manodidina ny tobin’ny mpialokaloka any Afrika Afovoany (Rwanda sy Congo) dia azo everina fa nanala ny hazo rehetra tamin’ny toerana sasantsasany.





Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler