ALAMANDO



NY FAMBOLENA ANY AMIN’NY ALAMANDO

Alamando aman’arivony kilômetatra no simbaina hanaovana fambolena isan-taona. Ny vondrona roa tompon’andraikitra amin’ny fanovana ny alamando ho tany fambolena dia ny mpamboly sy mpiompy madinika ary ny fikambanana,

Miankina amin’ny fisavana ny alamando ny mpamboly sy mpiompy madinika any amin’ny toerana maro eran’izao tontolo izao mba hamelomany ny fianakaviany. Rehefa tsy tafiditra amin’ny toeram-pambolena tsara kokoa ire mponina ireo dia mampiasa ny tavy mba hisavana ala mitsitokotoko anatin’ny fotoana fohy. Araka ny fanao, ambolen’izy ireo mandritra ny roa taona ny tany voasava alohan’ny fahalanian’ny tsirontany ary avy eo dia voatery mifindra amin’ny tokon’ala vaovao izy ireo.

Misava alamando mihoatra noho ny tsy mbola nataony taloha hatrany ny orinasa mpamboly, indrindra any amin’ny Amazôna izay alamando maro no voavadika ho fambolena voly avotra. Ny manampahaizana sasany dia mino fa i Amerika Atsimo dia hanana faritry ny tanim-pambolena izay ifaninana amin’ny an’i Amerika afovoany. Maro amin’io tanim-pambolena io no azo avy amin’ny fahalanian’ny alamandon’i Amazôna.




Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler