ALAMANDO



NY ANDRAIKITRY NY FAHANTRANA AMIN’NY FAHASIMBAN’NY ALA

Misahana andraikitra lehibe amin’ny fahasimban’ny ala ny fahantrana. Ny alamandon’izao tontolo izao dia hita any amin’ny faritra mahantra indrindra eto amin’ny planeta. Ny mponina monina ao anatiny na manodidina ny alamando dia miankina amin’ireo ecosystems ireo mba ho velona. Maka voankazo sy hazo izy ireo, mihaza biby dia mba hanana hena eny ambony latabatra, ary voakaraman’ny orinasa izay mitrandraka angovo avy amin’ny tany misy ala.

Ny ankamaroan’ny mahantra eny ambanivohitra dia tsy manana mihitsy ny safidy ananantsika aty amin’ny firenena Tandrefana izay azontsika maimaimpoana. Ireo mponina ireo dia mila tsy hanan-tsafidy mihitsy handeha any an-tsekoly na ho tonga dokotera, mpiasa amina orinasa, na mpitantsoratra. Tsy maintsy mivelona amin’ny tany manodidina azy izy ireo ary mampiasa izay zavatra rehetra mety ho hitany. Ny fahantran’izy ireo dia vidian’izao tontolo izao amin’ny fahaverezan’ny alamando trôpikaly sy ny biby dia. Raha tsy mieritreritra ireo mponina ireo dia tsy ho avotra ny alamando.





Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler