ALAMANDO
Peru


AHOANA NO IAROVANTSIKA NY ALAMANDO ?

Ringana vetivety ny alamando. Ny vaovao mahafaly dia betsaka ny olona te hiaro ny alamando. Ny mampalahelo dia tsy ho mora ny fiarovana ny alamando. Mila ezaka avy amin’ny olona maro miasa miaraka mba hananana antoka amin’ny fahaveloman’ny alamando sy ny biby an’ala ho an’ny taranakao mba ho ankasitrahany sy ankafiziny.

Dingana vitsivitsy iarovana ny alamando sy, asa lavitr’ezaka, ny ekôsistema (4) manerana izao tontolo izao dia mifantoka amin’ny “HAZO” :
  • Mampianatra ny hafa ny mahazava-dehibe ny tontolo iainana sy ny fomba ahafahan’izy ireo manampy amin’ny fiarovana ny alamando.
  • Manamboatra ekôsistema (4) simba amin’ny alalan’ny fambolena hazo eny amin’ny toerana nisy ala efa voakapa.
  • Mamporisika ny olona hivelona amin’ny fomba tsy manimba ny tontolo iainana
  • Manangana faritra voaaro mba hiarovana ny alamando sy ny biby an’ala
  • Manohana ny orinasa izay miasa amin’ny fomba mahakely ny fanimbana ny tontolo iainana


Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler