ALAMANDO



FIAROVANA NY ALAMANDO AMIN’NY ALALAN’NY FAMPIANARANA

Ny fampianarana dia singa iray amin’ny fiarovana ny alamandon’izao tontolo izao. Tsy maintsy mahita ny hatsarany sy mahalala ny mahazava-dehibe ireo ala ireo ny olona amin’izay izy hanampanirina ny iaro azy ireo. Tokony ho hita ny fampianarana ny tontolo iainana na any amin’ny firenena tandrefana toa an’i Etazonia na any amin’ireo firenena izay manana alamando toa an’i Bôlivia sy Madagasikara.

Any Etazonia, mila mahafantatra ny andraikiny ny olona amin’ny fahaverezan’ny alamando. Ohatra, ny fividianana vokatra sasantsasany toy ny mahôgany dia fandraisana anjara amin’ny fikapàna ny alamando any amin’ny firenena hafa. Raha isika Amerikana no miezaka hianatra momba ny tontolo iainana dia hahafantatra ny zavatra ariantsika isika amin’ny fanjavonan’ny alamando. Afaka manapak’hevitra koa isika hividy vokatra ary hanohana orinasa sy fikambanana izay manampy ny alamando.

Ny mponina any amin’ny firenena misy alamando indraindray dia tsy mahalala hoe nahoana no sarobidy ny alamando. Amin’ny alàlan’ny fandaharam-pampianarana dia afaka mianatra ireny olona ireny fa ny ala dia manome ny fitaovana fototra (toy ny rano madio) sy toeram-ponenana ho an’ny zavamaniry sy biby tsy hita n’aiza n’aiza eto ambonin’ny tany. Ankizy vitsy any amin’ny toerana toa an’I Madagasikara no mahalala fa ny gidro dia tsy hita any Amerika. Faly izy ireo rehefa mahalala fa any Madagasikara irery ihany no ahitana ny gidro.







Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler