ALAMANDO



INONA NO AZONAO ATAO AO AN-TOKANTRANO HANAMPIANA NY TONTOLO IAINANA

Maro ny zavatra azonao atao ao an-tokantrano hanampiana amin’ny fihenan’ny fiantraikanao amin’ny tontolo iaianana.
  • Vonoy ny jiro rehefa tsy ilaina. Raha may ny takamoa dia soloy takamoa manana angovo mahomby izy ireny
  • Aza mandanindany rano amin’ny tsy antony.
  • Manaova fanodinana akora efa avy nampiasaina
  • Amporisiho ny ray aman-dreninao hisafidy ny fiara mampiasa solika mahomby ary tsy hanafana be loatra ny tranony.
  • Aza avela hirenireny foana ny biby ao ankohonanao rehefa tsy ilainao intsony izy ireny. Alohan’ny ividiananao biby dia tokony ho resy lahatra ianao fa vonona hikarakara izany. Andraikitra ny fananana biby fiompy.
Ireo zavatra azonao atao mba hanampiana amin’ny fiarovana ny alamando :
  • Aza mividy vokatra vita amin’ny hoditra biby dia sy zava-maniry
  • Aza mividy biby fiompy izay nalaina tany an’ala. Azonao anontaniana ny fivarontam-biby na “avy an’ala” na “fiompy” ny biby. Ny biby “fiompy” dia biby mora mifandray kokoa amin’ny tontolo iainana.
  • Mividiana taratasy voaodina.
  • Aza mividy vokatra avy amin’ny hazo avy any Indonezia, Malayzia, Brésil, na Afrika raha tsy hoe fantatrao fa avy amin’ny mpamatsy izay tia sy manaja ny tontolo iainana izany. Ny fomba tsara ahafantarana fa hazo azo antoka ho tsy tamin’ny alamando dia ny fananany “marika fanamarinana”. Ohatra iray amin’ny marika fanamarinana ny “FSC-certified” izay midika fa ny hazo dia avy amin’ny ala sahanina maharitra.
  • Mianara misimisy kokoa momba ny alamando sy ny zavamaniry sy biby monina ao aminy. Lazao ny namanao sy ny ray aman-dreninao ny maha-zavadehibe ny alamando.


Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler