ALAMANDO



Inona no atao hoe kanôpy (6)?

Ny ankabeazan’ny fiainan’ny zavamaniry sy ny biby ao amin’ny alamando dia tsy hita eo amin’ny fanambanin’ny ala fa eo amin’ny tontolo be ravina fantatra amin’ny hoe kanôpy (6). Ny kanôpy (6), izay mety ho 30 metatra (2) miala amin’ny tany, dia voarafitry ny sampan-kazo sy ravina misandrahaky ny hazon’ny alamando. Ny mpikaroka dia maminavina fa ny 70-90%’ny zavamanan’aina ao amin’ny alamando dia hita eny ambony hazo ka mahatonga ity farany ho manankarena indrindra amin’ny toeram-ponenan’ny zavamaniry sy ny biby. Maro amin’ireo biby be mpahafantatra anisan’izany ny rajako, sahona, androngo, vorona, bibilava, biby kamovelona, ary saka kely dia hita ao amin’ny kanôpy (6).

Tsy mitovy velively ny tontolo iainana ho an’ny kanôpy (6) sy ny an’ny fanambanin’ny ala. Amin’ny atoandro, ny kanôpy (6) dia maina sy mafana kokoa noho ireo faritra hafan’ny aty ala ary ny zavamaniry sy ny biby monina ao dia efa mahay mifanaraka amin’izay. Ohatra, noho ny fahabetsahan’ny ravina amin’ny kanôpy (6) izay mety ahasarotra ny fahitana dia maro amin’ireo biby monina ao no mampiasa feo mafy na hira lava mba ifandraisany. Ny banga eo anelanelan’ny hazo dia midika fa ny biby sasantsasany monina amin’ny kanôpy (6) dia manidina, misonenika, na mitsambikina mba ahafahany mifindra eny an-tampon’ny hazo.

Voasariky ny fandalinana kanôpy (6) efa ela ny siantifika saingy noho ny haavon’ny hazon’ny alamando dia sarotra ny fikarohana hatramin’izay ka hatramin’ny vao haingana. Amin’izao fotoana dia efa misy ny fitaovana hanamorana izany toy ny tetezana vita amin’ny tady, tohatra, ary fihodidinana vita amin’ny tady mba hanampy ireo mpikaroka amin’ny famantarana ny tsiambaratelon’ny kanôpy (6).

Ny kanôpy (6) dia tsy inona fa iray amin’ireo rihana mijidina maromaro ao amin’ny alamando. Topazo maso ny diagrama eo amin’ny ankavia izay ahitana ireo rihana hafa (the overstory, understory, shrub layer, ary ny forest floor (7)).

(7) overstory : étage supérieur / understory : étage inférieur / shrub layer : strate arbustive / forest floor : ny ahitra mandrakotra ny tany anaty ala, ny fanambanin’ny ala





Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler