ALAMANDO



Ny fanambanin’ny alamando (7)

Ny ravin’ny kanôpy (6) no mahatonga ny rihana ambanin’ny alamando ho toerana maizina sy mando lava. Etsy andanin’izany, na dia takona lalandava aza izy, ny fanambanin’ny alamando dia manana toerana sarobidy eo amin’ny ekôsistema(4)n’ny ala.

Ny fanambanin’ny ala no toerana itrangan’ny fahalovana. Ny fahalovana dia ny làlana izay arahin’ny bibikely mpandrendrika toy ny holatra sy ny bibikely tsy hita maso mba hanimbàny ny biby sy ny zavaminiry maty ary hanodinany ireo raha fototra sy sakafo mahavelona.

Maro amin’ireo biby vaventin’ny alamando no hita ao amin’ny fanambanin’ny ala. Isan’izany ny elefanta, ny tapir, ary ny jagoara.





Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler