ALAMANDO



NAHOANA NY ALAMANDO NO MANANA KARAZAN-JAVAMANIRY SY BIBY MARO TOY IZANY?

Ny alamando trôpikaly no manana ny karazan-javamanan’aina maro karazana indrindra eto ambonin’ny Tany. Na dia mandrakotra latsaky ny 2%’ny velaran’ny Tany aza izy ireo dia mitahiry mihoatra ny 50%’ny zavamaniry sy ny biby eto ambonin’ny Tany ny alamando. Ireto misy ohatra momba ny harenan’ny alamando :
  • ny alamando dia manana 170,000 amin’ireo 250,000 fantatra amin’ny karazan-javamaniry eto amin’izao tontolo izao
  • Etazonia manana karazana sahona 81, ary Madagasikara kosa izay kely noho Texas, afaka manana karazany 300.
  • Erôpa dia manana karazana lolo 321, ary ny valanjavaboary iray ao amin’ny alamandon’i Peru (Valanjavaboary Manu) dia manana karazany 1300.
    Manana karazan-javamaniry sy biby maro ny alamando noho ireto antony manaraka ireto :
  • Ny toetr’andro : satria ny alamando dia hita ao anatin’ny faritra trôpikaly, noho izany dia mahazo tara-masoandro matetika izy ireo. Izany tara-masoandro izany dia avadiky ny zavamaniry ho angovo amin’ny alàlan’ny photosynthèse. Ny fisian’ny tara-masoandro betsaka dia midika fa betsaka ny angovo ao anaty alamando. Io angovo io dia voatahiry ao amin’ny zavamaniry izay hanin’ny biby. Noho ny fahamaroan’ny sakafo dia maro ihany koa ny karazan-javamaniry sy biby.
  • Ny kanôpy (6) : ny firafitry ny kanôpy (6)-n’ny alamando dia maneho fa maro ny toerana ahafahan’ny zavamaniry mitombo sy ny biby mivelona. Ny kanôpy (6) dia manome loharano vaovao ahitana sakafo, fialofana, ary toerana fiafenana, mamatsy tontolo hafa ifandimbiasana eo anivon’ny species samihafa. Ohatra misy ireo zavamaniry ao amin’ny kanôpy (6) antsoina hoe bromeliads izay mitahiry rano ao anatin’ny raviny. Ny biby toy ny sahona dia mampiasa ireny paosin-drano ireny ho amin’ny fihazana sy ny fanatodizany.


Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler