ALAMANDO






NY TRONDRON’NY ALAMANDO

Ny ranon’ny alamando trôpikaly – anisan’izany ny renirano, kihon-drano, farihy, ary ny honahona – no toeram-ponenan’ny ankamaroan’ny karazana trondron-dranomamy. Ny Basin’i Amazôna fotsiny dia manana mihoatra ny 3000 fantatra karazany ary mety ho maro toy izany ireo karazany tsy mbola fantatra.

Maro amin’ireo trondro trôpikaly tazonina any amin’ny fitahirizana trondron-dranomamy no avy any amin’ny alamando. Ny trondro toy ny Anglefish, neon tetras, discus, sy ny catfish mpihinan-domotra mahazatra dia avy any amin’ny ala trôpikalin’i Amerika Atsimo, ary ny Danios, Gouramis, Trondro Miadin’i Siamese (na Betta), sy ny Clown Loach dia avy any Azia.







Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler