|
|
|
NY MPONIN’NY ALAMANDO
Ny alamando trôpikaly dia fonenan’ny antokon’olona izay mampiasa ny manodidina azy mba ahitany sakafo, fialofana ary fanafody. Amin’izao vaninandro izao dia vitsy ny tanala miaina amin’ny fomba nentimpaharazana; betsaka no nafindran’ireo mpiavy avy any ivelany na noteren’ny fanjakana hampiato ny toe-piainany.
Amin’ireo tanàla sisa tavela, i Amazôna no mitondra ny antontan’isa maro indrindra, ary na ireo mponina ireo aza dia niharan’ny fivoarana ihany koa. Rehefa mbola mampiasa ny ala izy ireo amin’ny fihazàna amin’ny fomba nentimpaharazana sy fiotazana, maro amin’ny Amerindiana, araka ny fiantsoana azy ireo, no mamboly (toy ny akondro, mangahazo, ary vary), dia mampiasa ny fitaovana tandrefana (toy ny vilany vita amin’ny metaly, kojakoja hafa), ary mamonjy ny tanan-dehibe matetitetika ary mitondra sakafo sy fitaovana vita tanana mankany an-tsena. Ireo mponina an’ala ireo dia mbola afaka mampianatra antsika zavatra maro momba ny alamando. Ny fahalalàn’izy ireo momba ny zavamaniry fanao fanafody ampiasaina amin’ny fanasitranana aretina dia tsy anoharana ary izy ireo dia manana fahaizana lehibe momba ny ekôlôjian’ny alamandon’i Amazôna.
Any Afrika dia misy ireo mponina an’ala ao an-toerana fantatra amin’ny hoe pygme. Ny lava indrindra amin’ireo olona ireo, fantatra koa amin’ny hoe Mbuti, dia mahalana be vao mihoatra ny 1,5 metatra ny halavany. Ny hafohin’izy ireo dia manakana azy ireo tsy hahay hifindrafindra tsara ao an’ala mihoatra noho ny olona lava.
Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)
|
|