ALAMANDO



NY FAHALALANA NY ZAVAMANIRY FANAO FANAFODY TEO AMIN’NY MPONINA AN-TOERANA

Iray amin’ireo mahaliana indrindra amin’ny fikarohana ao amin’ny ala trôpikaly ny ethnobotany izay tsy inona fa ny fianarana ny fomba fampiasan’ny olona ny zavamaniry eo an-toerana ho fitsaboana ny aretina sy ny areti-mifindra. Ny olona an’ala dia manana fahalalàna mahazendana momba ny zavamaniry fanao fanafody miaraka amin’ny fanafody momba ny zavatra rehetra manomboka amin’ny kaikitry ny bibilava ka hatramin’ny fivontosana anaty.

Hatramin’izao dia maro amin’ireo fanafody ampiasaina any amin’ny faritra andrefan’izao tontolo izao no nalaina avy amin’ny zavamaniry ary ny 70%’ny zavamaniry fantatra fa manana firafitra afaka miady amin’ny homamiadana hitan’ny US National Cancer Institute dia ao amin’ny alamando irery no misy azy.

Ny fahalalàna ny zavamaniry fanao fanafody dia nentin’ny shaman na “medicine man” an’ny tanàna kely iray. Matetika ny shaman no mitsabo ny marary mandritra ny fankalazana sy ny fomba nentimpaharazana amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavamaniry notazana avy amin’ny ala manodidina.





Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler