ALAMANDO
USGS


MANAMPY NY FIHAZONANA NY FIODINAN’NY RANO NY ALAMANDO

Manampy ny fihazonana ny fiodinan’ny rano ny alamando. Araka ny hevitry ny U.S. Geological Survey, “ny fiodinan’ny rano, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe hydrologic cycle, dia mamaritra ny fihetsehana mitohin’ny rano eo aminy, amboniny, ary ambanin’ny velaran’ny Tany.”

Ny andraikitry ny alamando amin’ny tsingerin’ny rano dia ny fanampiana rano ny atimôsifera amin’ny alalan’ny fihatsembohana (rehefa mamoaka rano avy amin’ny raviny izy ireo mandritra ny photosynthesis). Io hamandona io no mandray anjara amin’ny fiforonan’ny rahon’orana izay mandatsaka ny rano iverina eo amin’ny alamando. Any amin’ny Amazôna, 50-80% ’ny hamandoana dia mijanona ao amin’ny ekôsisteman’ny tsingerin’ny rano.

Rehefa voakapa ny ala, kely ny hamandoana mankany amin’ny atimôsifera ary mihena ny rotsak’orana ary indraindray mitarika ho amin’ny fahamainana.





Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler