ALAMANDO



MAMPIHENA NY FAHAKAOHAN’NY NOFONTANY NY ALAMANDO

Manampy amin’ny fihazonana ny nofontany ny fakan’ny hazo sy ny zavamanirin’ny alamando. Rehefa voakapa ny hazo dia tsy misy miaro intsony ny tany sy ny nofontany izay voasasan’ny orana vetivety. Ny fizotran’ny fahasimban’ny nofontany no atao hoe erosion.

Koa satria ny nofontany dia voasasan’ny orana mankany amin’ny renirano dia miteraka olana ho an’ny trondro sy ny mponina izany. Mijaly ny trondro satria lasa maizina ny rano fonenany, ary manana olana amin’ny fivezivezena eny amin’ny rano izay mihamarivo ny mponina noho ny fitombon’ny loto ao anatiny. Etsy andanin’izany dia very nofontany tsara izay sarobidy amin’ny fambolena ny mpamboly.




Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler