ALAMANDO



FANAMBOARANA SY FAMERENANA NY ALAMANDO

Eo ampiezahana amin’ny fiarovana ny alamando dia mila mijery ihany koa isika hoe ahoana no ahafahana mitondra ny ala simba hitodika amin’ny fahasalamana. Amin’ny fotoana tsy mahamety ny fambolena ny alamando, ny alamando sasany dia afaka mitsiry indray rehefa avy nokapaina – indrindra raha mahazo fanampiana izy ireo amin’ny alalan’ny fambolena hazo. Amin’ny tranga sasany dia azo atao ny mampiasa ny toerana avy nikapana ala ho amin’ny fambolena miendri-pivoarana ka ahafahan’izany mamatsy sakafo ho an’ny olona monina eo akaikiny. Rehefa manana sakafo ireo olona ireo dia tsy mila mikapa ala hafa intsony izy mba hambolena.

Toeram-pikarohana mahefa iray mijery ny fiarahamonina tranainy monina ao amin’ny alamandon’i Amazôna talohan’ny fahatongavan’ny Erôpeana tamin’ny taonjato faha 15. Raha jerena ivelany dia toa afaka mahabe voa ny nofon-tanin’ny alamando, izay matetika somary mahantra, amin’ny fampiasana saribao sy taolam-biby. Amin’ny fampiakarana ny hatsaran’ny nofon-tany, toerana lehibe izay avy nikapana ala ao amin’ny Amazôna no mety azo ampiasaina hanohana ny fambolena. Izany dia mety hampihena ny famotserana ny toeran’ny alamando ho amin’ny tany fambolena. Mihoatra noho izany, ny tany “terra preta” araka ny fiantso azy, dia mety azo ampiasaina hanampy amin’ny fihafanana lehibe noho izy misintona ny diôksidana karbôna, gazy serre lehibe.





Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler