ALAMANDO



MAMPORISIKA NY OLONA HIVELONA AMIN’NY FOMBA TSY MANIMBA NY TONTOLO IAINANA

Fomba iray hiarovana ny alamando sy ny tontolo iainana ny famporisihana ny olon-drehetra hivelona amin’ny fomba izay mampihena ny fanimbana ny tontolo manodidina azy. Ny fampiasana fiara mandeha solika mahomby, ny fitandrovana ny rano, ny famonoana ny jiro rehefa tsy ilaina izy, ary ny fanodinana akora efa nampiasaina dia fomba ahafahanao sy ny fianakavianao mampihena ny voka-dratsy amin’ny tontolo iainana.

Inona no azoko atao hanampiana ny tontolo iaianana?

Maro ny mpikaroka sy fikambanana miasa ho fanampiana ny mponina antoerana mba hivelona amin’ny fomba mampihena ny fanimbana ny tontolo iainana any amin’ny firenenan’ny alamando. Ny olona sasany dia miantso izany hoe “fandrosoana maharitra”. Ny fandrosoana maharitra dia manana tanjona amin’ny sady hanatsara ny fiainan’ny olona no miaro ny tontolo iaianana. Raha mivoatra ny fiainan’ny olona miaina ao anatiny na manodidina ny alamando dia sarotra ny miaro ny valan-javaboary sy ny biby an’ala. Ny fitehirizana dia tsy maintsy ao anatin’ny tombontsoan’ny olona mba hiodinan’ny asan’ny valan-javaboary.





Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler