ALAMANDO



MAMETRAKA VALAN-JAVABOARY IZAY MIARO NY ALAMANDO SY NY BIBY AN’ALA

Ny famoronana faritra voaaro toy ny valan-javaboarim-panjakana dia fomba iray lehibe itehirizana ny alamando sy ny ekôsistema (4) hafa. Ny faritra voaaro dia toerana izay arovana noho ny lanjany ara-tontolo iainana sy ara-koltoraly. Amin’ny ankapobeny ny faritra voaaro dia tantanan’ny fanjakana ary mampiasa mpiaro sy mpiambina mba hanamafy ny lalànan’ny parka ary miaro amin’ny asa tsy ara-dalàna toy ny fihazàna sy ny fikapàna hazo.

Ankehitriny ny valan-javaboary dia miaro maro amin’ireo karazam-biby na zavamaniry tandindomin-doza eran-tany. Ny biby toy ny Pandas dia any amin’ny faritra arovana irery ihany no ahitana azy.

Mahomby kokoa ny valan-javaboary rehefa tohanan’ny mponina antoerana monina ao anatiny na manodidina ny faritra arovana. Rehefa liana amin’ny valan-javaboary ny mponina antoerana dia mety mamorona “vondrona mpanara-maso” izay miaro ny valan-javaboary amin’ny fanimbana sy ny fihazàna tsy ara-dalàna.

Fomba iray mandaitra amin’ny fiarovana ny alamando ny fampidirana ny mponina tera-tany amin’ny fitantanana ny valan-javaboary. Ny mponina tera-tany dia mahalala betsaka momba ny ala noho ny olon-kafa ary manana tombontsoa amin’ny fiarovana azy noho izy ekôsistema (4) mamokatra izay manome azy ireo sakafo, fialofana, ary rano madio. Ny fikarohana dia nahita fa amin’ny lafiny sasany, “vala dia” dia mety hiaro kokoa ny alamando noho ny “valan-javaboarim-panjakana” ao amin’ny Amazôna.

Ny valan-javaboary dia afaka manampy ihany koa amin’ny ara-toekarena any amin’ny firenenan’ny alamando amin’ny alalan’ny fisintonana mpizahatany vahiny izay mandoa saram-pitsidihana, manofa mpitarika mpahay zavaboary eo an-toerana, ary mividy asa tanana an-toerana toy ny harona, t-shirts, ary ny brasele voarary.





Nadikan’i Benja RAMANANDORIA (Madagascar-Touring) tamin’ny teny MALAGASY, nanampy tamin'ny fandikana Fidèle RAHARIMALALA (alarobiamahatonyATyahoo.fr) + NJARIVOLA Soavololona (mirambola97ATyahoo.com)




ALAMANDO | ARA-DALANA | ANGLISY

©2009 Rhett Butler